potika (MAGMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fitiavako manontolo no atolotro ho anao
Angamba raha ny tontolo tsy hahavita izao
Jamba tanteraka aho, jamba taminao
Efa tena reraka aho nanao izay azo atao

Mba rahoviana re, mba rahoviana ihany é
Vao ho tsapanao izany
Fa toy ny vorona manidina hatrany hatrany
Tsy ho andriko ihany

Ref: Tiako ianao! Fa tsy fantatrao izany
       Mba lazao! Izay ao am-ponao
       Tiako ianao! Aleo isika hiara-dia
       Mandrakizay! Eny, ho doria

Resinao tanteraka aho, babo tokoa
Tsy nasianao resaka ity tenako
Dia ho nofinofy ihany ve izany rehetra izany?
Nefa ny fitiavako miroborobo hatrany

Ka raha azo atao, mba raiso re ny fitiavako
Ho eo anilanao eo
Aza atosika fa mba omeo ny anjarany
Ao anatin'ny fonao

Ref: Tiako ianao! Fa tsy fantatrao izany
xdoh       Mba lazao! Izay ao am-ponao
   pgmuzipo     Tiako ianao! Aleo isika hiara-dia
       Mandrakizay! Eny, ho doria

Solo ------
Ref: (×2) Tiako ianao! Fa tsy fantatrao izany
              Mba lazao! Izay ao am-ponao
ftitm              Tiako ianao! Aleo isika hiara-dia
              Mandrakizay! Eny, ho doria

              Ka tononkira.serasera.org hifampitantana!



  

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : MAGMA
Visites : 222
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Rivonjatosoa
Date : 17/09/2026 12:16
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124