mila anao (MAGMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hirahira no
Oentiko aminao
Hiarahantsika indray
Tena kanto tokoa
Vokatry ny fo
No atolotro ho anao

Ka henoy kely ange
izao hira izao
Fa hamalifaly anao
Hahita ianao ka handre
Dia lazao
Hoe izaho mila anao

Ref: Mila anao foana anie aho
       Mitady anao isan' andro izao
       Avelao aho mba ho eo anilanao

Tsy hitahita indray
izay fotoana izay
Hiaonantsika roa
Toa tsy andriko intsony
Izaho tsy mety ho tony
Fa malahelo foana

Mahatsiarotsiaro anao
Ity izaho
Fa mafy izany tena tia
Tsy hitako izay atao
Tsy eo ianao
Lasa adala aminao

Ref:.........
Solo.....
Ref:......

                                            A/C ionjajl
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MAGMA
Vangy : 128
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rivonjatosoa
Daty : 25/05/2025 10:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0915