Amoron-dàlana (Fianarantsoa) (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Amoron-dàlana aho indray hariva izay
niandry fiarakodia hodiana  any  aminay
sendra nandalo ialahy nahita ahy samirery
ka nampandroso anahy tao anaty ny fiarakely

Tsy hohadinoiko  anie izany làlana izany
any ny havako, ny namako, ny ankany
miolakolana ny mianatsimo any
ny fitiavako mahitsy hatrany

Manerikerika ilay Fianarantsoa
misy malaina ity fizahoana soa
nahatsiarotsiaro izaho hoe aiza izao ialahy
nianavaratra hono fa maro ny asa

Tsy hohadinoiko ofzc anie izany làlana izany
any ny havako, jerlntas ny namako, ankany
miolakolana uexpjv ny mianatsimo any
ny fitiavako mahitsy hatrany

Ny ropilanina manao hitsin-dàlana
mitondra hafatra ho sora-tànana
salama ny aty tononkira.serasera.org hoy ny tany rehetra
hoy ny havana etsetra etsetra

Tsy azo hadinoina anie ity nositsinka ity
any ny havana sy ny ankany
miolakolana ny fiainana an-tany
ny fitiavako mahitsy hatrany.

BEKOTO

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018