You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Veloma ry fahazazàna (Mahaleo)

Veloma (2), ry fahazazana
Veloma (2), fa efa tsy tamana
Veloma f’izaho tsy afaka hitana
Veloma (2), 'ndeha ka faingana

Avelao aho hamoy fo mangina
Teo akaikinao, akaikinao ry tiana
Torimaso, sakafo sy lalao
No niarahako taminao

Arahaba e, ry hatanorana
Arahaba e, ry fahalalàna
Arahaba e , ry hadalana
Tsy ary voatanisa, sarotra isaina

NigoTsiky dia ampyka, nifoka
Na nijanganjana
Ny ota rehetra indro nitranga
Kilalao hafa kely no natao
Niova tantely isan’andro izao

Veloma e ry fahazazana
Veloma (2), fa efa tsy tamana
Veloma f’izaho tsy afaka hitana
Veloma (2), 'ndeha ka faingana

Nananontanona ary ny fahanterana
Niandry any am-pasana ilay toerana
Nitomany indray ny fahazazana
Ny fahafatesana anefa tsy azo hialana

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 13879
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 13/09/2002 11:01:48
ID : 1016

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo