You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo Amoron-dàlana (Fianarantsoa)

Lohateny : Amoron-dàlana (Fianarantsoa)
Nampiditra tondrompeo : rota
Daty : 23/02/2007



Amoron-dàlana aho indray hariva izay
sol                            la7
niandry fiarakodia hodiana  any  aminay
lam     ré7        mim
sendra nandalo ialahy nahita ahy samirery
sol                             la7
ka nampandroso anahy tao anaty ny fiarakely
lam        ré7           mim            


Tsy hohadinoiko  anie izany làlana izany
do                    sim
any ny havako, ny namako, ny ankany
lam    ré7        sol
miolakolana ny mianatsimo any
do             sim
ny fitiavako mahitsy hatrany
lam                  ré7  


Manerikerika ilay Fianarantsoa

misy maraina mitifi-zavona soa

nahatsiarotsiaro izaho hoe aiza izao ialahy

nianavaratra hono fa maro ny asa



Tsy hohadinoiko anie izany làlana izany

any ny havako, ny namako, ankany

miolakolana ny mianatsimo any

ny fitiavako mahitsy hatrany



Ny ropilanina manao hitsin-dàlana

mitondra hafatra ho sora-tànana

salama ny aty hoy ny tany rehetra

hoy ny havana etsetra etsetra



Tsy azo hadinoina anie ity nositsinka ity

any ny havana sy ny ankany

miolakolana ny fiainana an-tany

ny fitiavako mahitsy hatrany.



BEKOTO

Tondrom-peo hafa

Hampiditra tondrom-peo hafa