Jerosalema (Les Adeline)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy tanàna iray izay tiako loatraIzay iriko ho hita indray andro any
Babo izany foko ka te hitroatra
Hahita ilay Jerosalema
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran'Andriamanitra
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran'Andriamanitra
Any no hahitako ilay Mpamonjy
Izay voavono noho ny amiko
Hiondrika aho mba hitsaoka
An'ilay mpanjakan'i Jerosalema
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran'Andriamanitra
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran'Andriamanitra
Tananam-pifaliana izany
Izay tsy hahitana ranomaso
Any no hifaly ireo voavonjy
Hidera sy hankalaza an'Andriamanitra
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran'Andriamanitra
Jerosalema, tanànam-pitiavana
Jerosalema, toeran'Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Les AdelineVangy : 823
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 03/01/2022 09:17