Alahelo (Erick Manana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tsitaitaikan'ny fanitso
Merik’andro harivariva o !
Mandomando koa izany tany e
Malahelo anao mafy aho izany e !

Ela tsy hitahita ka mahatsiaro
Embona sy ny sento mifangaro
Ditsoka ny fo ka tomany e !
Malahelo anao mafy aho izany e !

Azoko an-tsaina ny misy anao
Manofinofy anilanao
Raha lanitra mangamanga ny any e !
Ny aty anaty haizina ny tany e !

Fikisaky ny ora mampifila e !
Tsapako ho ela be io vao dila
O ry ampitso mba malakilaky e !
Malahelo anao mafy aho izany e !

Fa mba rahoviana ihany no ihaona o
Fa efa leo aho ny miandry miandry anao foana o
Misy fetrany izao fiharetako izao
Mba marina o
Koa faingana malaky ndrao adino any e
Malahelo anao mafy aho izany e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Erick Manana
Vangy : 13137
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gasikeli
Daty : 01/09/2006 18:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1775