You are here: home > Tononkira > Erick Manana

Aza hilaozanao (Erick Manana)

Aza hilaozanao e ! Raha mbola azo atao e
Aoka kely aloha mba mahaiza manindry fo
’Ty valizinao miangavy, miangavy aho mba apetrahao re
Dia mba meteza aloha, hiaino ahy faraparany
Ampio tosika aho e ! Hanavotana
Ity fitiavana ’zay nandorondoro ahy
Milela-paladia e, tena handoaliako iny !
Aza hilaozanao, aza hilaozanao

Fa moa ve mba fatantrao, fa tsinotsinona aho e
Raha tena ianao izao re no lasa midify ary ka mandao
Dia ny aiko no rovitra, ny saiko hipitsoka
Ny hoaviko ho potikTsiky dia ampya, ho vita tanteraka ny amiko a
Tsy resaka anie io na sangy, fa tena ho zavatra tsy tanty
Ny hahita anao hidify hakary hanome lamosina
Milelapaladia, tena handoaliako iny
Aza hilaozanao e

Aza hilaozanao e ! Raha mbola azo atao e
Aoka kely aloha mba mahaiza manindry fo
’Ty valizinao miangavy, miangavy aho mba apetrahao re
Dia mba meteza aloha, hiaino ahy faraparany
Ampio tosika aho e ! Hanavotana
Ity fitiavana ’zay nandorondoro ahy
Milela-paladia e, tena handoaliako iny !
Aza hilaozanao, aza hilaozanao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Erick Manana
Mpamaky : 15287
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Bditra
Tamin'ny : 27/08/2008 13:59:13
ID : 5353

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo