You are here: home > Tononkira > Erick Manana

Aza mba manary havana (Erick Manana)

Aza mba manary havana e,
E ! Fa tsy mety e,
Ny havana havana ihany zareo o,
Odiana tsy hita ve izy fa kely o,
Aza mba manary havana e,
E ! Fa tsy mety,
Ny havana, havana ihany zareo o,
Ataovy am-pitiavana re fa tsy an-tery o,
Aza mba manary havana e,
E ! Fa tsy mety,
Sambatra izay be fitiavana o,
Izay mamy hoditra anie ka tsy ho very e,
Aza mba manary havana e,
E ! Fa tsy mety,
Ny havana, havana ihany zaTsiky dia ampyreo o,

Raha misy manjo o,
Raha misy tsy to o
Mahazo ny sasany ka mitady ny hivarimbarina an-kady
Aza avela handady izy e
Aza avela hijaly izy e
Tsy zanaky ny hafa izy ireo fa gasy ohatranao
Ka vonjeo fa mafy ady e !

Ka mahaiza mitsinjo re
Ka mahaiza mivimbina e
Tsy fidin’ny sasany ny mitafy gony, mitsimpona fako o
Fa isika iray tafo anie,
Maty iray fasana e
Tsy vato tsy akory ilay fonao mitempo
Tsy maintsy, tsy maintsy hisento !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Erick Manana
Mpamaky : 3248
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : gasikeli
Tamin'ny : 12/09/2006 14:40:46
ID : 3874

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo