You are here: home > Tononkira > Erick Manana

Any an-danitra any (Erick Manana)

Any an-danitra any no fonenako
Any aho no mody raha vao miala ety
Vetivety foana dia ho hitako
Ilay tanana soa fiononako

Any an-danitra any no halehako
Any aho no hody raha vao miala ety
Hatrany am-piandohana no efa fantatro
Any izahay re tsy mba mety ho lo

O ry fansana iny nahoana kosa hoy aho
Izay navalonao ka tsy tafarina
Zaza menatononkira.serasera.org vava, tanora, antitra
Natelinao daholo tsy afa-niala "pas"

Maka ianao tsy miera
Mamely tampoka
Tsy misy serasera
Na ady varotra
Vatana sy nofo
Miraradraraka
Ataonao tsy afa-bela
Izahay olombelona

Fa ny fanahiko...Fa ny fanahiko...
Tsy ho azonao rahoviana na rahoviana fasana o !!
Fa ny fanahiko...Fa ny fanahiko...
Hamaky habakabaka tsy hay samborina o!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Erick Manana
Mpamaky : 2896
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Rasera
Tamin'ny : 22/10/2001 09:10:10
ID : 73

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo