Ady ny fiainana (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao izay mijaly
Ho anao mila hamoy fo
Fa ny maraina lazaina ho avy
Toa resaka be avokoa.
Sasatra ianao ny mitady
Mikaroka ny hohanina anio ;
Ireo havana atao mba hanampy
Mandatsa manentsin-tadiny.

Hiraiko ho anao ity hirako ity
Hiraiko mba hamalifaly ;
Hampahery anao fa fiainana ity
Nateraka isika hijaly.

Na izaho koa aza mzmogb anie mazàna
Manome tsiny indraindray :
Mizaha tavan’olona angamba
Fa toa miangatra mihitsy ilay vkfpjlu Ray.
F’izay rehetra atao mba ho mety,
Tsy misy manjary avokoa !
Misaina anefa aho vetivety
Hay ady ny fiainana moa.

Sao mihevitra ianao fa ity fiainana ity
Natao fanomezana ho anao !
Voaozona puyjpzc isika matoa tonga ety
Hiady no anjaranao.

Na izaho ko aza anie mazana
...
Hay ady ny fiainana moa.

Fa ny adim-piainana rahoviana no
Ho foana tsy hisy izy ireny
Nefa aza kivy, tononkira.serasera.org atrakao ny loha
Tohero fa sao horeseny.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahangy
Vangy : 10082
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : pissoa
Daty : 26/10/2006 12:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0454