Ny zanakao jereo (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy anao raiky lehilahy eto an-tany
Tsy karanao no hampitomany
Ny zanakao sarobidy
Nilaozanao nandositra adidy
Ny vehivavy koa maro be
Izany no nahatonga anao handeha
Natakalonao hadalana a a a
Ny zanakao tavela an-tanana

Na dia fy aza ny kilalao
Ny zanakao aza atao an-kilabao
Na dia misy ny vehivavy tiana ô ô ô
Ny zanakao aza ariana.
Mba marina e
La vie, sôman’olon-jiaby
Ny lehilahy mijoro amin’ny fiainana
Tsy mba manary zaza e


Izay hohanina anio tadiavina
Ny rahampitso koa torak’izany
Ny vadinao efa mitotototo
Ny zanakao jereo fa mihadonto
Tsy mety anie ny ataonao ahy
Mipodiana hianao fa lehilahy
Na dia mamy raha ataonareo ô ô ô
Ny zanakao mba jereo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahangy
Vangy : 4300
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 11/02/2007 21:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0529