TOKANTRANO (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nikolokolo isika, nanabe, nikarakara
Ireo zanantsika soa fa mba tafita soa amantsara
Tsy nitsitsiana hery, namafazana harena
Tiana mantsy fa mba menaky ny aina

Mila tsy hahatsiaro isika fa mpifankatia
Fa toy ny olon-droa voatery hiaraka satria
Mpivady ka ny sisa hery nanakamban-tsaina
Ka dia niasa mafy tsy nitandro aina

Mba fetinao, mba fetinao androany
Hatramin’izay nodian-tsy hita izany
Raha mety ianao haveriko eto indray
Ny toky izay nomeko taona maro izay
Fa fetinao, mba fetinao androany
Ka fifaliana fa aza mitomany
Raha mety ianao, andeha isika roa
Hifampitantana amin'izay toy ny taloha, ho iray fo

Raha mety ianao, andeha isika ho eny amoron-drano
Hivetsoako tonokalo ianao hitantarako angano
Izay sakafo kely efa vitako maraina
No novimbiniko ao ho antsika sombinaina

Tsy afaka ato antsaiko ilay asabotsy iray
Takariva mamy taona maro lasa izay
Voaly fotsy, raozy mavokely, teny iray
No nampikambana antsika ho iray

Toa vao omaly ireny raha tsy ny maso no mahita
Ilay volonao izay fotsy, nanabe ny akanintsika
Ny fahanterana no nampikentrona ny nofo
Fa ny fitiavako anao tsy miofo



Tonony sy feony : Delakra/Black Jacks
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahangy
Vangy : 5768
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Manitra
Daty : 18/04/2004 22:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765