You are here: home > Tononkira > Voahangy

TOA ANAO (Voahangy)

https://tononkira.serasera.org/hira/voahangy/toa-anao-2

TOA ANAO

Toa anao izao koa anie aho
Mba leon’ny fiainana koa aho indraindray
Toa anao izao koa anie aho
Nanankim-po tamin’ny sitrany ahay
Mbetika sorena aho dia mba milalao
Faly aho rehefa mety ny atao.
Toa anao ihany koa manana hambom-po
raha sendra voa

Toa anao izao koa anie aho
Nitsiky ivelany nefa tomany
Toa anao izao koa anie aho
Na reraka aza dia miezaka ihany
Nizaka ratra koa aho impiry
Nivoajamoala sy nangirifiry
Toa anao ihany koa nanana hambom-po
raha sendra voa.

Fiv: Toa anao tstononkira.serasera.orgisy hafa tokoa aho
      Kamboty niady aho ny mba ho tafita
      Nanao izay rehetra azoko atao e
      Izay fara-heriko tokony ho vita
      Tsisy hafa mihintsy aminao e
      Mba nitia aho kanefa nariany
      Nanante-tsy nisy aho, niantso vonjy indrisy aho
      Fa dia nanetsena tadiny

Toa anao izao koa anie aho
Nanofinofy aho satria mba tanora
Toa anao izao koa anie
Mba naniry ny fiainana mora
Nanao an-dolom-po aho mazana
Nitroatra aza satria tsy voatana
Avy eo anefa aho nanenina indray
Nandini-tena dia fay.

VOAHANGY

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Voahangy
Mpamaky : 3174
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : RAFILOZOFY
Tamin'ny : 17/11/2004 00:22:09
ID : 2748

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo