You are here: home > Tononkira > Voahangy

Sombiny (Voahangy)

https://tononkira.serasera.org/hira/voahangy/sombiny

Na ho sombintsombiny ihany aza no azonao omena
Na ho sombintsombiny ihany aza dia manantena
Mahatsiaro tena ho irery
Indraindray aza toa very
Mila namana aho fa tsy sanatria hoe an-tery

Na ho sombintsombiny ihany aza dia mbola mino
Na ho sombintsombiny ihany aza dia aza hadino
Fa ny aty miandry hatrany
Na dia lavitra ny tany
Manantena fa mbola hihaona indray andro any

Omeo sombiny aho na ho sombin-taraina
Omeo sombiny aho raha azonao zaraina
OmeoTsiky dia ampy sombin-Tsiky aho toy ilay fahizay
Fa ny masoandrom-piainako hihiratra indray

Omeo sombiny amin’ny alahelonao
Fa hohajaiko ny tsiambaratelonao
Omeo sombim-pitia aho na ho sombiny aza
Fa hokoloiko fatratra tsy ho voalobo-jaza

Na ho sombin-kira iray aza no ho azoko hiraina
Na ho sombi-masoandro amin’ny maraina
Ho ampy ahy tokoa tokoa
Ka na inona hanjo
Raha atolotrao ho ahy ka amin’ny fo

Mila ny fanampianao
Ka tolory tanana aho
Aza ilaozano fa mahantra ity havanao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Voahangy
Mpamaky : 3585
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Lanto
Tamin'ny : 03/02/2005 04:28:46
ID : 2923

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo