torabato miverina (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hitako intsony izay azoko atao
Fa tanteraka avokoa izao ny sitraponao
Kely handeha hanambady ianao zanako o!
Ho ambakain’ny zazavavy izay mitovy aminao

Izaho tsy mandatsa f’ianao mbola hanenina
Anatry ny reny torabato miverina
Izay nafafinao zanako o!
Tsy maintsy ho jinjaina ao afarafara ao

Avia aty ho tsofiko rano,
Fa tsy moramora ny mitondra tokantrano
Mahità mitady e! mahazakà havam-bady e!
E! dadanao mbola vonona ny hampianatra hanatsara ny ho avy!
Aleonao mifidy ny lalana handao anay sahady eia!
E! dadanao mbola vonona ny hampianatra hanatsara ny ho avy!
Aleonao mifidy ny lalana handao anay sahady !

Sitra-po mitohy hitondra anao ho aiza
Manontany olana andramo aloha mitaiza
Tomany mahatsiaro ireo tenin’i neny
Fa mbola tsy ampy taona ianao no hitaiza zazakely

K’izaho reninao tsisy dikany aminao
Tsy arahiko alahelo fa hajao vadinao
Mazahoa izay irîna
Ny zanaka aza ampijaliana zanako o!

Avia aty ho tsofiko rano,
Fa tsy moramora ny mitondra tokantrano
Mahità mitady e! mahazakà havam-bady e!
E! dadanao mbola vonona ny hampianatra hanatsara ny ho avy!
Aleonao mifidy ny lalana handao anay sahady eia!
E! dadanao mbola vonona ny hampianatra hanatsara ny ho avy!
Aleonao mifidy ny lalana handao anay sahady !

Manatona aty izany zanako izany!
Ny tokantranonao mba tsy hisy tomany
Mahareta jaly e raha hitady ny mamy e!
E! dadanao mbola vonona ny hampianatra hanatsara ny ho avy!
Aleonao mifidy ny lalana handao anay sahady eia!
E! dadanao mbola vonona ny hampianatra hanatsara ny ho avy!
Aleonao mifidy ny lalana handao anay sahady !


Voahangy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahangy
Vangy : 9259
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalaholy
Daty : 01/04/2007 18:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729