Miomana ka miambena (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mambabo ny saina izao tontolo izao
Fa izay topaza-maso
Toa tsy mamela handao
Fa mitaona hatrany handa ny Tomponao
Ry efa resy o, saino izay tokony atao

Miomana ka miambena
Raiso anio ny famonjena
Fa ho avy ny fijinjana
‘Zay tsy ampoizinao nefa tsy tana
Ho avy tsy hanambara
Toy ny mpangalatra

Efa mby akaiky ilay nisolo anao
Nanaiky ny ho faty, moa va tadidinao ?
Ka zay nohariany hahita sy handre
Na ny efa maty aza hitsangana avokoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA
Vangy : 396
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaranjara
Daty : 13/03/2025 11:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.101