Mitalaho (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mitalaho famonjena Aminao aho Jeso Noho ireo fahotana vitako
Mivalo aminao hoe
Fa diso meloka tokoa
Tsy mendrika ahy akory ny hiantso hoe Jeso
Noho ny amiko sy ny noho fahotako maro
No nanoloranao tena ho avotro
Namoizanao ny aina koa
Nalatsakao ny Rànao soa
Ho fanavotana ahy amin'ny otako
Ref : Mafy sady mahavaky fo(ry tompo)
Ny kapoaka netinao
Fa fahoriana fijaliana
nozakainao sy nihafihanao
Tsapako tokoa anio ry RAY
Ny fitiavanao ho ahy
Ka ny hazo fijaliana sy ny dinitrao nitete
Tsy ho handinoko fa tsarako ho ahy re
2-Neniko ny lasa ny ho avy hampisaina koa satria
Hianao no Mpamonjy be fitia
Ny nanombohana anao
Dia hisolo heloko izao ,
ka diovy sy sasa amin'ny Rànao
Vonona aho hanonotra ny ratsy vitako taloha
ka ny andro sisa mbola hiainako
Dia hatokako hanompoako anao
sy hanolorako izao
Ny tenako mba ho eo ambany elatrao
Ref : Mafy sady mahavaky fo(ry tompo)
Ny kapoaka netinao
Fa fahoriana fijaliana
nozakainao sy nihafihanao
Tsapako tokoa anio ry RAY
Ny fitiavanao ho ahy
Ka ny hazo fijaliana sy ny dinitrao nitete
Tsy ho handinoko fa tsarako ho ahy re
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAVangy : 29
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaranjara
Daty : 13/03/2025 06:13
