Ambarako aminao (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ambarako aminaoAmbarako aminao Jesosy Tompo tsara ô
Fa ny fiainanay ety, misari-pahafatesana
Indrisy mahonena
Tsisy fifaliana tsisy fiadanana
O! Fiainana manahiram-pisainana
Jereo fa mahita angano
Mahantra ny firenena
Ny sampy sy ody maro no indro mba itokiany
Tsy fantany tsotra izao ny teny izay fikasana
Mahantra ny firenena, mahantra izy ireo Jeso
Ka ambarako aminao
Ambarako aminao Jesosy Tompo tsara ô
Fa ny fiainanay ety, misari-pahafatesana
Indrisy mahonena
Tsisy fifaliana tsisy fiadanana
O! Fiainana manahiram-pisainana
Jereo ny madinikao
Jereo reo fa mitomany
Iangarana lava izao, voahosy hatrany hatrany
Indrisy mijaly mafy, voatsindry ny hazo lena
Mahantra ny firenena, mahantra izy ireo Jeso
Ka ambarako aminao
Ambarako aminao Jesosy be fitia o
Fa ny fiainanay ety dia feno hetraketraka
Indrisy mahonena
Feno fahoriana tsisy fahamarinana
O! Fiainana manahiram-pisainana
Ekena fa tena maro
Ireo mody izay mino Anao
Kanefa ny tena lainga no ankamamin'ny fony
Indrisy fa hamavoiny ny ran'ilay zanak'ondry
Mahantra ny firenena, mahantra izy ireo Jeso
Ka ambarako aminao
Ambarako aminao Jesosy Tompo soa o
Fa ny fiainanay ity dia feno havonavona
Indrisy mahonena
Feno haratsiana feno fialonana
O!Fiainana manahiram-pisainana
Raha tonga ilay fotoana
Fotoana izay fijinjana
Iriko Ianao ry Tompo hitantana ny fanahy
Iriko hisolo vava hamela ny fahotana
Iriko hanafaka ahy, iriko tokoa tokoa
Ambarako aminao
Ambarako aminao Fanahy Mpanazava o
Fa ny fiainanay ety irinay ho vaovao
Ho marina tokoa ho masina tokoa
Ho fiainana sambatra
Ho fiainana hanjakan'ny fitiavanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAVangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaranjara
Daty : 13/03/2025 06:32
