Miakatrakatra (TCR (Tarika Christophe Ratrema))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
miakatrakatra ny vidim-piainana
miakatrakatra ny fitarainana ô!!!
miaka-midina ny tosi-drà
mila miakatra kosa ny ara-panahy (x2)

na inona na inona ankason'ny tany
andraikiny ianao sady adidiny ihany
raha_tsy zazasary fa tena zanany
Izy no miantoka ny asan'ny tanany
tsy maintsy mandeha amin'ny finoana
zanany ianao tsy havelany ho noana
raha tsy mba ianao no_ho_fati-mosary
na ohatrino(na) na ohatrinona ny kapoakam-bary

Réf: ...

tsy maintsy mibebaka mandini-tena
sao isika mitombo f'izy indray no mihena
izay manetri-tena ihany no asandratra
raha tsy voavela heloka tsy hatsiaro sambatra
tsy miova Jesoa omaly sy androany
vao miantso Azy ianao dia valiany avy hatrany
tsy mahazo reraka miatrik'ady
raha mandresy ianao vao mitombo grady

Réf: ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TCR (Tarika Christophe Ratrema)
Vangy : 168
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fetramaharosoa
Daty : 01/09/2025 14:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0219