Aoreno mafy tsara ny finoana (TCR (Tarika Christophe Ratrema))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.
Aoreno mafy tsara ny finoana
Eo am-pototry ny Hazo fijaliana
Jeso Kristy tsy miova hatramin' ny anio
Omaly, anio mandrakizay doria

Iriko loatra e ! Jeso ny ho tahaka Anao
Fa ny hoe hivadika dia sanatria
Fa ianao Jeso tsy miova hatramin'ny anio
Omaly, anio, mandrakizay doria

2.
Raha izao tontolo izao tsy mahavonjy
Ny fanahy sy ny fo izay milonjy
Fa ianao Jeso no tsy miova hatramin'ny anio
Omaly, anio, mandrakizay doria

Ray, reny, zoky, zandry, Havana
Samy mety mbola hanadino anao
Fa Jeso no tsy miova hatramin’ny anio
Omaly, anio, mandrakizay doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TCR (Tarika Christophe Ratrema)
Vangy : 7865
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 22/04/2016 01:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714