indro aho mandohalika (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF:
Sambatra ny olona,eny tena sambatra
‘zay voavela ny elony sy voasarona ny fahotany
Sambatra ny olona ‘zay tsy isain’ny Jehovah heloka
Ary tsy misy fitaka ny fanahiny

1-Inty aho mandohalika eo ampototry ny hazo fijalianao
Mibebaka ,mofona koa noho ireo fahotana vitako
Koa mamelà sasao re mba ho afa-pahotana
Diovy amin’ny ràanao soa mba ho afak’heloka

2-Inty aho mandohalika eo ampototry ny hazo fijalianao
Mivalo koa ,mibaboka e ! Mba henoy ny fitarainako
Fa marobe tokoa ireo didinao tsy voatandriko
Hiverina ao ambalanao,izay re no tena tiako

3-Inty aho mandohalika eo ampototry ny hazo fijalianao
Mivavaka e! miantso anao mba vonjeo re ity taninay
Indrindra ireo mpitondranay milaza fa nandray Anao  tokoa
Indrindra moa ‘lay fahamarinana ,natakalo vola re

                             A . Hery Razanakoto  (Aout 2018)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : sami FJKM ITAOSY
Hits : 217
Likes : 0 Like
Created by : feotsotrakoto
Date : 03/03/2025 08:57
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0197