ampianaro aho (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF:
Ampianaro aho mba hahay hanisa ny androko sisa
Mba ahazoako tokoa ilay fo hendry avy aminao
Ka hanompo anao Jesoa tia  no tena faniriako
Amin’ny andro izay mbola omenao iainako

1-Ka aza avelanao hatoky tena
Raha hanao ny asanao Jesoa
Fa ataovy hahay hanankina izany  aminao
Ianao irery tokoa no azo itokiana
Ô!ô!ô! Mba hitantana tokoa ny asanao ataonay ety

2-Ka aza avelanao handeha irery
Raha sendra ady sarotra
Fa ataovy hahay hanaiky izay sitrakao
Ianao irery tokoa no azo itokiana
Ô!ô!ô! Mba hitantana tokoa ireo ady hatrehanay

                               A . Hery Razanakoto
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : sami FJKM ITAOSY
Visites : 212
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : feotsotrakoto
Date : 28/02/2025 08:44
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1162