Iny Havako iny (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela loatra ho’aho e
Zay nandehananao tany ’zay
Tsy nisy fotoana nihaonana aminy e
Nihodina any izy nihodina ndraindray

Toa nahatsiarotsiaro ’reo sary efa lasa
Nanganohano ’zaho niandry anao mba ho hita
Tsy nety voafafa ho’aho ireo lasa fahiny
Mbola hiraiko na mamirifiry

* Isan’andininy :
Iny havako iny o! iny
Raha sendra mandalo dia antsoy mba hivily
Iny havako iny o! iny
Raha sendra mandalo enao miandry fona a!

Taiza foana a! taiza enao e!
Mangingina tsy misy mpilalao
Maloka fona tsy nety nazava e!
Ny habakabaka hitambarako aminao

Dia nahatsiarotsiaro ’reo sary nandratra
Nanganohano zaho niandry anao mba ho hita
Tsy nety voafafa ho’aho ireo lasa fahiny
Mbola hiraiko na mamirifiry


--> *

Iny havako iny (8)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olombelo Ricky
Vangy : 16887
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : thierry
Daty : 27/11/2001 07:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748