Antsampandrano (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tafasaraka tampotampoka teo ny làlana e !
Tafasaraka tampoka be teo ny làlana e !
Fa tao an'elanelany tao nisy sampanana e !
Ianao manohy any amin’ny mandrakizay any
Efa mandry am-piadanana
Tapatapaka 'ty ny ankalana
Rovidrovitra teo ilay lambanana
Dia lamba mena, lamba landy sisa no nikambanana
Ny lanitra manga aza toa nanjombona
Mosarena ny avana

Fa mbola ho henonao any e !
Ho henonao any !
Eeh mmhh

Tafasaraka tampotampoka teo ny làlana e !
Tafasaraka tampotampoka teo ny làlana e !
Fa teny Antsampandrano teny nisy fifandaozana
Tototry ny alahelo anao ilay tokotany filalaovana
Dia tsy mitovy ratram-po mihitsy ho'aho ny mpandao sy ny ilaozana
Very aho very namana e !
Very anao very fihavanana
Ny diavolana aza naratra tao aorinan’ilay fenomanana
Lamba mena lamba landy sisa no nikambanana
Ilay hira nifanaovana aza moa zary lasa kopakopa-tànana
Nanjombonjombona malomaloka teo 'reo namana e !
Eeehh !

Maso mena manganohano
Mipitrapitra fa mba tantano
Toa mason-jaza nanganohano
Miandry ilay mpitantara angano
Karakaina ka nila rano
Tsy nety voky ah fa mba fahano
Ny alahelo anao efa nahamamo
Nanjombonjombona omaly teny Antsampandrano

Izany anie no niantsoako anao tamin’iny
Tena zany anie no niantsoako anao impiry impiry
Hifampizara ny alahelo sy ny mangirifiry
Dia ohatran'ny tany ambadika tany nefa eo ihany
Manao tohivakana mampifandray ny eto sy ny any
Manao tohivakana mampifandray ny eto sy ny any
Zée iaah

Tendry lavitry ny fo, tendry lavitry ny maso
Mahandrasa lohataona raha hamafa ranomaso
Tendry lavitry ny fo, tendry lavitry ny maso
Mahandrasa lohataona raha hamafa ranomaso

Dia efa vitanao sary, efa vitanao ny loko
Vitanao tsara, voatahiry tato am-poko
Tsy nisy nahasakana, efa vitanao firavaka
Hary elatra ilay vakana
Tsy mbola lany kay ny kintana miaro ny mpanazary
Ireo mpanao hatsarana, ny mpamosaka ny ho avy
Ny mpampihavana
Fa volamena latsaka am-bovoka ka tsy hitan-doto

Maso mena manganohano
Mipitrapitra fa mba tantano
Toa mason-jaza nanganohano
Miandry ilay mpitantara angano
Karakaina ka nila rano
Tsy mety voky ah fa mba fahano
Ny alahelo anao efa nahamamomamo
Nanjombonjombona omaly teny Antsampandrano

Izany anie no niantsoako anao tamin’iny
Tena zany anie no niantsoako anao impiry impiry
Hifampizara ny alahelo sy ny mangirifiry
Dia ho henonao any e !
Ho henonao any  ! Eh ! Mampifandray ny eto sy ny any

Fa volamena latsaka am-bovoka ka tsy hitan-doto
ilay Richard Razafindrakoto
Efa tonga any amin’ilay tontonlo manambina izy, tsy mba manoto
Mmhh mmhh
Feno hasina, mandrosoa hasina
Hitondra kolon-tsaina, kolom-panahy
Mampifandray ny eto sy ny any

(Tsy hanahy, tsy haninona e !) x 2
(Soava-dia dia ho ambinina e !) x 2

Ho ambinina any amin'ny tontolo tsy hita maso any e !
Mampifandray ny eto sy ny any !
Manao tohivakana mampifandray ny eto sy ny any e !
Mmmhh maso mena manganohano

(Soavadia dia ho ambinina e !)
Dia ho henonao any e !
(Soavadia dia ho ambinina e !)
Ho henonao any !
(Soavadia dia ho ambinina e !)
Zay e ! Ho henonao any ! Any Antsampandrano any
(Soavadia dia ho ambinina e !)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olombelo Ricky
Vangy : 11073
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lanto
Daty : 13/01/2007 09:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0156