Akanim-pahoriana (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nakimpiko ny masoko
Naleoko nangina
Namisavisa irery
’Ty akanim-pahoriana, nilaozanao!

Ranomaso nikoizana
Niantsoko anao : modia!
Fa nandry am-piadanana
Tsy tàna intsony ety.
Mafy anie fa atao ahoana moa!

FIV : Vahiny ianao ka dia lasa nandao
        Ala-nenina izay natao
        Fa mpindrana aho ka nilaozanao
        Malahelo aho fa namoy mandrakizay

Alin-dava sy ririnina
Manamaizina ny foko
Tsy eo ianao ho fihinina
Ka ny nofy no nantsoiko, nefa dia…

Tsy foana ny tsiaroko
Toa sarim-piainana ato anaty
Vao maika namoha
Ny alahelo fota-mandry
Mafy anie fa atao ahoana moa!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 99
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : anjarasoa23
Daty : 19/11/2025 15:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0199