Tsy tana (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ankizy ankehitriny tsy toy ny taloha
Fa kely be kirina tsy mety mankato
Voatavo tsy mifandraka hoy ianao mitsara
Ianao indray no tara
Fa hainy daholo ireo tsy nampianarina
Kidadadada ireny no lasa tena marina
Izay rehetra ilaina mihodidina fitiavana
Kely kinga vatana
Mody menatra izy raha vao jinerinao
Tsy fantatro ny antony
Mahay mamilafila, am-pony taralila
Toa kely efa vantony
? -Fitafiana efa miova manara-drendrarendra
Mangalatra lokomena
Miangoty ny fiteny omeo goûter ry Neny
Hay mandefa taratasy
Misy fandrosoana tsy tsara ho tarafina
Tsy tana nefa indro mitosaka tsy miafina
Ny boky misy sary sy ny horonan-tsary
Nalefa miharihary
Namporisika azy na dia tsy tokony aza
Hanandrakandrana hitady izay sahaza
Mingitrika tsy mianatra dia mihodina mampiaraka
Mandainga tsara lahatra
-Mariazy sarisary tena izy fa tsy vazy
Mankarary manahy vary
Tsy mbola mifanentana
Dia indreny mientanentana
Avy eo manimba entana
Ireo mba maotimaoty, toa kely isan-jatony
Raha toa atao ny kaonty
Efa lasa lamaody ny tsy miveravera
Sao angaha lasa masera
Tsy lahy tsy vavy moa fa samy rangaranga
Iray tadin-dokanga
Ny roa ambin’ny folo taona mihoatra
Raha tsaratsara voatra
Dia mampidera foitra
Mivoatra ny tantara ny ankizy mody soara
Mifampikarakara
Raha antitra fitaiza mionona aloha fa tara
Izay vita ny tantara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 3441
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/02/2017 15:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.038