ISAORAKO IANAO (Ny salohy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorako Anao Ray ô ! izao tombon’andro izaoTombon’andro izay nomenao ahy
Ny dera sy ny haja anie, ny voninahitra
Ho anao mandrakizay
Raha ny fahalehibiazanao no ambarako Ray ô !
Dia tsy mendrika aho ny hiantso Anao
Fa noho ny voninahitra izay nomenao ahy
No isaorako Anao
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy
Ka hira no atolotro Anao
Ny fo sy saina, ny fanahy no entiko izao
Hanandratako Anao.
NY SALOHY (16/10/04)
--------
Rohy: