ISAORAKO IANAO (Ny salohy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorako Anao Ray ô ! izao tombon’andro izao
Tombon’andro izay nomenao ahy
Ny dera sy ny haja anie, ny voninahitra
Ho anao mandrakizay

Raha ny fahalehibiazanao no ambarako Ray ô !
Dia tsy mendrika aho ny hiantso Anao
Fa noho ny voninahitra izay nomenao ahy
No isaorako Anao

Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy
Ka hira no atolotro Anao
Ny fo sy saina, ny fanahy no entiko izao
Hanandratako Anao.

NY SALOHY (16/10/04)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny salohy
Hits : 2219
Likes : 0 Like
Created by : Naina R.
Date : 14/12/2004 07:56
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5325