Vol 2. HO IRAKA (Ny Antsa Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refétence :

« Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho; Eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao » (Heb 10:39 - Hebreo 2:12)

--------------------------------------------------------------------

1. Mahagaga, maharavo raha ny fitiavanao
Tompo Tsara, manan-jara aho manana Anao
Fifaliana, fitahiana no mbola narotsakao
Ka tratr’izao taom-pihobiana izao

2. Raha ny asa tamin’ny lasa no itodihana indray
Dia nalemy, tsy sahaza izahay
Nefa izany sento ihany, fa nomenao ny herinao
Tanteraka avokoa izay natao

KA HIHIRA AHO, ENY HIHOBY NY ANARANAO
NY DERA SY NY HAJA KOA, DIA MENDRIKA HO ANAO
ETO KOA NO HANAVAOZAKO, FANOLORANTENA VAOVAO
TSY HIALA AMINAO TOMPON’IZAO REHETRA IZAO.
3. Nefa mbola maro koa ireo tsy manaiky Anao
Fa minia tsy mahalala tsotr’izao
Vonona aho ho irakao, na ho mafy aza ho sahy
Tsy hihemotra hamonjy ny fanahy

KA HIHIRA AHO, ENY HIHOBY NY ANARANAO
NY DERA SY NY HAJA KOA, DIA MENDRIKA HO ANAO
ETO KOA NO HANAVAOZAKO, FANOLORANTENA VAOVAO
TSY HIALA AMINAO TOMPON’IZAO REHETRA IZAO.


Tonony sy Feony : RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana
(NOVEMBRE 2003)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antsa Fitiavana
Vangy : 2435
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : malilatiana
Daty : 02/04/2009 11:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759