Gasikarako (Ny Ambasadôrà)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Teto no nahitako ny masoandron'ny fiainako
Teto no nofidian'Ilay Ray ho fonenako
Koa tsaroako n'aiza n'aiza e, ho vetsoiko ao anaty
"Lay Gasikara mamiko

Refrain:
Tiako foana ianao na manana na ory
Tsy misy toa anao ry Gasikarako
Ny vavaka atao hoe hotahiana anie ianao
Hiadana ny taniko

2- Maro ny fahavalo mitady hamotika
Aoka tsy himalo na koa hilofika
Fa hiaro hatrany hatrany ny hatsarana hananan'ilay
Tany izay hiraisana

3- Ndao hiaraka, hamerina indray
Ny fihavanana izay nampikambana
Koa arovy sy tandrovy ny fifankatiavana
F'ho sambatra izaho sy ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ambasadôrà
Vangy : 924
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fanaja Mandranto
Daty : 25/05/2020 13:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761