Fito taona (Nono)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andinin-teny roa na telo
Voasoratro tsinahy
Nisy ojan ihany mampalahelo
Nataoko anao
Nataonao ahy

Feno taona fito androany
Ny niarahako taminao
Isika anefa eny ihany
Izaho sy ianao
Izaho sy tononkira.serasera.org ianao

Firifiry moa ny hadalana
Efa vitantsika roa
Ny fiainana tsy ataoko hoe tsara
Tsy azo atao hoe ratsy koa
Soa fa vhxkoi nisy ihany
Fitiavana indraindray
Tsikitsiky indraindray
Fandeferana

Ny lahimatoantsika roa
Herintaona izao no nianatra
Ka feno soratra avokoa
Na rindrina na fitaratra

Ilay vavy kely koa
Vao mianatra mihira
Impiry aho no bedy moa
Fa tsy nanao feo faharoa

Firifiry moa ny hadalana
Efa vitantsika roa
Ny fiainana tsy ataoko hoe tsara
Tsy azo puznflt atao hoe ratsy koa
Soa fa nisy ihany
Fitiavana indraindray
Tsikitsiky indraindray
Fandeferana

Soa fa nisy ihany
Fitiavana indraindray
Tsikitsiky indraindray
...

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115