Madagasikara (Naly Rakotofiringa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro tsinjoko eny lavitra eny'Lay tanindrazana tsy foiko,
Madagasikarako malala
Nofy izay mba ho adinoiko.
Ao mantsy no miandry
Ireo hava-tiana tsy tafandry,
Vetivety anie aho dia ho avy ô!
Hihaona isika mianakavy.
Maro ny saika naha-tamana
Tamin' ireo vohitra hafa sy tanàna,
Nefa n' inona soa sy tsara
Tsy atakaloko anao ry Madagasikara.
Nihafy mafy loatra ny ray aman-dreny
Inona ary no takalon' izay nomeny ,
Izay mba kely azoko hanompoko ny havako
Ary koa hanasoavako
Hitiavako ny tanindrazako.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Naly RakotofiringaVangy : 5729
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ni81
Daty : 07/10/2008 19:51