Ny vady (Naly Rakotofiringa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona ary moa ny vady o ry lahy
Fo sy aina, sombinaina sy fanahy
Ny vady tiana, fifaliana
Akaiky fo, andanivoa, ka tsy ho lo

Fa ny vady tsy fiady fa ho tady
Ikambanana ho namana
Tsy fambotry na fanosy
Fa ho iray mandrakizay
Sy fitia doria doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Naly Rakotofiringa
Vangy : 18296
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Rija Razafimahefa
Daty : 16/01/2002 11:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203