You are here: home > Tononkira > Naly Rakotofiringa

ny vady ve (Naly Rakotofiringa)

https://tononkira.serasera.org/hira/naly-rakotofiringa/ny-vady-ve

Ny vady anie
Ka voafidy tan'aty ny maro
Olon-tokana ihany
tsy azo afangaroharo
Ny vintana sy ny fitiavana
No nitamabatra ka nampihavana
Olon-droa hatramin'izay
Nefa nitambatr'iray

Ny vady ve
Raha faly ny iray fitsikiana
Ny vady ve
Olon-droa miray fahoriana
Ny vady ve
io no anjara sy taolan'tehezana
Ny vady ve
Sarobidy tononkira.serasera.orgio no fanomezana

Ny vady anie
Tsy hasolo tsy hatakalo
Toa lamban'akoho mandra maty
Fa tsy mba mandalo
Miara manorina akany
Mizara ny soa sy ny mamy
Olon-tokana fa mahasolo
Ny havana iray manontolo

Ny vady ve
Raha sorena izy manafosafo
Ny vady ve
Ny tambitambiny vidina lafo
Ny vady ve
Olon-droa miaraka hatrany
Ny vady ve
Na miady miombona ihanny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Naly Rakotofiringa
Mpamaky : 12449
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : haja12
Tamin'ny : 03/10/2014 12:07:19
ID : 6762

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo