injany feom-boro mikalo (Naka Rabemanantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injany feom-boro-mikalo
Naseran’ ny rivo-mandalo
Kinanjo ny vokany ho’ aho
Nanjary toa mampitalaho

Jereo ’ty andro mipaoka
Ny aizina dia lasa voaroka
Kinanjo manjombona ihany
Fa izany no fomban’ ny tany.

Ny tany, ny hatanorana
Dia tena tsy tomombana akory
Raha izany no hiafarana
Anio dia mandeha matory
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Naka Rabemanantsoa
Vangy : 7115
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : harisoa
Daty : 27/04/2004 04:38
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2589