RAZOKINIBE (Mpanazava sy Tily eto Madagasikara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanao skoto razokinibe ee
nandeha tongotra alavitra be ka nikilepalepa tsy afa-nandeha
nanao skoto Razokinibe ee
Efa dadazily vao nanapa-kevitra ny hanao Tily
ka henoy fa hotantaraiko anao

Indray andro izy nandeha nilasy
loza fa adino ny taratasy
nanara-pofona nipitrapitra
hay ty Razokiny tsy misy fika aminay rehetra nanatrika teo

Indray andro izy nanao an-tsaha
raikitra ny fizaran-draharaha
Anjaran-dRazoky ny maka kitay
Ka saika latsaka hatramin'ny hehinay rehetra nanatrika teo

Nisy ny sedra zay niendrika ball
niara-nifoha tamin'ny sasak'alina
Nahery setra ny Jeu de Nuit
ka saika latsaka hatramin'ny Tonianay zay tonga nanatrika teo

Raikitra indray ary ny afon-dasy
tonga Razoky nanao Hira Gasy
Ireo sefo sasany ninaonaona
Voatery mba nanao Dihin'ny Ntaolo izahay rehetra nanatrika teo

Nanao skot Razokinibe ee
Nandeha tongotra alavitra be ka nikilepalepa tsy afanandeha
nanao skoto Razokinibe ee
Efa dadazily vao nanapa-kevitra ny hanao Tily
Dia izay no notantaraiko anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
Vangy : 623
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 18/07/2020 10:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0705