Dada (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Toky sy andry isan’andro isan’andro
Namotsiany herim-po maro tsy tambo
Niafiany ela niaretany tory
Tsy mba nisy tambiny kely ho azy akory
Na rerak’izy tsy mba nitaraina
Mba hampifalifaly ‘reo menaky ny aina
Nomeny Mamy Tsy foiny hitomany
Nokoloiny foana am-pitiavana hatrany
2-Andraikitra ho azy, toeram-panompoana
‘zany no mba toe-tsain’i Dada ato an-trano
Manoro mitantana anay am-pinoana
Tsiky kajy an-tsaina na entin’an-kambo
Ny ho avin’ny ankohonany no nimasoany
Raha sanatria hono izy ka tsy ho eo intsony
Tsy hainy ny hitony
Tsy zakan’ny fony
Ny sombinainy hijaly aoriana tsy foiny
REFRAIN : Dada o! Ny vavaka ataonay hombam-pirariana
Asandratray ho any amin’ilay Tompo Tsitoha
Dada o! Sanatria tsy ho voavaly na oviana
Ny ezaka vitanao nizara soa
Ho lava andro ianao ho salama ho tahiana
Eto anivonay ka ho to fifaliana
Toky no omena Ny valim-babena
Dia toavinay am-po sy am-pahendrena
3-Dada tsaroako ianao indray andro izay
No malok’endrika hafa be tato an-trano
Toa tsy misy atokona angaha tamizay
Ny masonay mijery no manganohano
Teny malefaka nampianao tsiky
No nentinao nankahery anay hila ho kivy
Lasa ianao indrisy
Hamorona ny tsy misy
Tsy nomenao tsiny izahay mbola ankizy
REFRAIN…….
MICKAEL ( 2010 )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIckael
Vangy : 1446
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 04/10/2017 15:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0798