12 Andalana (Mason'Aloka 301 Madagascariensis)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
El-Za Ruis
Azafady ary fa....
Avy eto zahay kilonga ny fianara mba hitondra ny tarogna
Fa ny tarogna tokoa evitry sahalan'ny tsingala mangela, mahakenda sahala ny amby rora
Any alavitra mitosa tsinjo, aty antany lavitra mety ahitana ny feo mifangaro
Aleo anay mba hitantara mba hisolo tena ny fianara mba ho fantatry ny be sy maro
Coco Mainty
Raha tin'lah ho soloiko tandroka ny elatra
Ny fiainana mitsy ny ahy no sehatra hanaovako live mivantana na itehaka elah na tsy hitehaka tsy quoi
Maso moa efa mena midorehitra ravahan'ny lanitra feno tselatselatra de ny fijery mivelatra nefa lalina
Hainao tsara hoe OSAM KALON malalaka io fa tsy nomanina
Araho maso tsara fa miavaka ny voankazo voarara ny voankazo naniry teo ampovohan'ny antara
Avereno am fenara amzay hoa ze an'fenara de zay tsy makobo menara
Hoe iza no tompony de iza no mpindrana
Fantaro fa ny hendry mody voky fa ny voky mpisoloky ny toky mora homena ary fitaka ny hatsarana ivelany mody maro loko
Ny fiainana ho'aho hosodoko tandremo sao sodoka fa bobaka ny akanga tsara soratra lesy ry zama a!
Zombi
Nefa tsy hoe miodina indray na in_droa fotsiny ny masoandro
Hatram'zao ny fotoana tsy mety mijanona de tsy mety tapitra ny andro dimbiasin'ny alina
Tsy mety mitsahatra mirehatra ny faneva entin'ny OSAM KALON de aleo ary hiverina any am taniny ny mpiady mahery fo hitondra ny marina
Hainao tsara fa fiainana hafa no nafangarony otran'ny tamboha sy ny alitar
Fianara sy ny tempoly Mason'Aloka efa hainao tsara fa tsy afa-misaraka
Ka raha misy ary sampanan-dalana de lazao azy ny fandriampahalemana anaty izay efa nitantana
Eny, satriko amzay lay sarinao iny mba ho tsy nofinofy fa ny aloka tafika mantsy tsy mitsahatra ny miroso
Ary, tandrovy fa ny tempoly saropady ka ny ialan'ny fofon'aina no ela de ny fahaveloman'ny fanahy sisa no andrasana f'efa misasaka sahady ity ny ady
Skyzo Fahira
Tsy ho rava any ampara, tsy ho ravan'ny taona ny fitiavana izay natsangana
Fa tsika sy ianao tsy ho porofo fa tsangam-baton'ilay fo feno fitiavana
De raha nisafidy ah tsy hoe nanisy sivana
De raha nanolo-tena ah tsy voatery hoe voafetra ny dingana
Fa raha ny lalako ihany aloha no hizoranao
De zay voasoratra ho ahy rery ihany no tantara hiainanao
De tsy hoe akory enao no tsy manan-tsafidy fa izay ilay antsoina hoe fitiavana fa tsy adidy
Dia tsarovy anefa fa tsika atreto mbola tsy afa-makaiza fa mbola avo ny fefy
De tsarovy hatrany fa mbola ho dinganintsika io ndray andro any
De rehefa ho tonga ary zany andro zany de zah mino sy manantena fa io lanitra io ho lasa tany
Fa tsika nefa hijanona eto ihany fa tsy ho any
De antsointsika ny hasambarana midina ety fa efa manina anao ny tany
Ety amnay, efa manina anao ny tany
Vy Mamay
Androany fotsiny, apetrako aloha ny fiadiko,apetrako ny alahelo
Apetrako ny disadisa ny sorisory hibanjinako ny hoavy
Indrindra ny androany, hanome fambara fa mbola maro ny tsiky maro ny fifaliana miandry ny foko handray azy ampitoniana
Misy ary tsy omby tratra, anaty ny hetaheta te hizara ny tsara ny taratra hoan'ny maraina lafatra
Lavitry ny sentosento lava, efa fantatra handratra,manakona ny maso tsy ahiratra hahita sy hahatsapa
Fa akaiky tsy takona efa atsy ho atsy ireo ady tsy ionona te hilaza
Zaraiko aminao ny taratry ny foko miangavy tsiky iray monja
Ray fotsiny fa tsy maro hatsapana fa tsara ity tany diavintsika ity
Tsy omaly ihany fa androany mbola andro
Mbola tsy tara raha hitafy ny lamba efa nisalorako
Hanamefa izay rehetra nodorako
Ti_Ah
Dia hoe ezahako ihany ny hampitovy ny anatiny sy ny ivelany
Amle tsikitsiky marevaka na de hoe ny lalako aza dezaka
Tsy hoe rezatra na hoe miseho mahari-pery reraka,raha tsy nilelaka anao ah, raha tsy nanaiky nolembenana ah
Nefa iny tsy hoe fiambona fa fahasambarako iny sady ezaka
Tsy hoe te ho mahaleo tena leka fa mba te ho mandry fahalemana ah
Fa aleoko ihany hoa miala loza amreny tontolo amoron'tevana, te hampihena ny tandrevaka fa tsy hoe handeha hanapaka tetezana ah
Aty vitsivitsy ny mpiray vodirindrina mpanebaka refa ny foko ndraindray hoe tambesaran'ireo mavesatra
Aty aho tsy tarafin'ireny hosodoko maro mody manjelatra
Aty aho voafakafaka tsara foana na de hoe tsy be dedaka
Dokotera Valy
Mpitarika mitsy ny fo ary ny ditra samy izy anaty betro
Saingy anio aho manambara 12 an-dalana fahendrena zah
Toy ny rano, jerena marivo fa tsy tsapa ny alaliny, toa mangingina ivelany fa toa maty
Tsy re tsaika ny hamafiny, ny hamafin'ny hetaheta, mba te ho tafa mba te ho deba
Sy ny alalin'ny setrasetra sedrain'ny fo,zerain'ireo ny mpamoleta
Otrany hoe mamoy lakana an-tanety ve ny kiofa raha mamerina hoe mahakenda ny trondro raha atao teli-moka
Ny mahazendana de.......
taloha trano atsimo sy avaratra izay tsy mahalen-kialofana
Ankehitriny vovo antsimo sy avaratra izay tsy mahalen-kialonana
Aza raisina antendrony fa lalina loatra ny fakan'ny bozaka maniry ao antampony ao
Fa sao ho sodoka ny rivo-baovao ka tsy hahatsiaro izay ao ambanin'ny tany ao
Laz
De efa hisaorana sahady izay mandray azy ampiheverana
Ka andao ary eh, mba hiara-hanorina foto-pisainana liam-pivoharana moderina
Matoa nosoratana tsy natao fotsiny ity mba hiserana
Fa ho famantarana mba hody mamy amizay izay mangidy efa nolerana
Ka zay efa ao sy ny tariny no ho tonga ventiny, zay rehetra maloto hadio tsisy pentina
Zay zioga tsy zaka noeritreretina, mba ho maivan-danja sy mora entina
De aleo ary hisakana izay hisakana, lasa ity tongotra amby an-dakana
Soratako minitra vitsy monja ity petahako in-dray miverina tsy miakanakana lesy valy eh
Ndreto zahay solotenan'le tsy fahenon'lah matetika, bentika kobo, bentika mangina nefa tsy lavon'lah raha hiketrika man
Ndreto zahay solotenan'lay masiaka mody mimpirina
Telo aotra iray iray ra, zay ataon'lah eo lesy eh tsy ampy ahafiriny.
Mason'Aloka 301 Madagascariensis
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mason'Aloka 301 Madagascariensis
Hits : 951
Likes : 3 Like
Created by : Andrianjatomalala
Date : 11/10/2025 15:00
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0371