SOA IHANY (Mason'Aloka 301 Madagascariensis)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
SOA IHANY – MASON’ALOKA MADAGASCARIENSIS
Coco Mainty & Dago
Aiza izy zany Dago aa,
Ôtrany tena tsy maintsy hanao hiram-pitiavana ihany lesy ry Coco aaa
Tsisy kozy io fa de efa inspiraka daholo eh..Setroka fa tsy tomany iny … Zay
Miandry ny maraina indray hitazana ny endrikao toa tsisy diso, ilay masonao toa tsisy tsiny, ilay tsikinao toa tsisy kianina, eny iny
Miandry todika iray toa tsy mba tonga hatram'izay
Miandry fihetsika kely ho famantarana anakiray
Miandry ny fasahian-kiarahaba kanefa ny tahotra no bobaka sao enao tsy mamaly na sao nareo mifamaly
Dia mody fanina de mody falifaly kanefa ngeh zah ao am-bovo amreny anie ka tsy mahakaly eh
Mandritra ny alina toa tsy mahadasy raha tsy mba dozy, de radem nefa tsisy kozy, fa vao matazana ny salovatavanao ny bandy dia io fa mivarilala ny pôzy
Ny Herin'ny masonao, fahalemena izy ho ahy
Ny hakantonao tafahoatra, faharesena izy ho ahy
Ny fahasahianao no fatahorako, ny firosoanao no fihemorako, ny tsy fahasahiako mamboraka no hamono ahy ankolaka..ngamba
NY hiarahaba hanolo-tanana hifanojo lalana aminao tsy sahy
Kanefa na hifampijery hifanohatra am.masonao mamiratra tsy sahy
Enao mantsy no anjeliko sady devoliko
Enao no raozikely mpanaingo sady mpameno tsilo ny tanimboliko
Enao no tontoloko, enao ihany no hanorina ary handrava ny tempoliko
Enao nefa...
Soa ihany ianao tsy nahafantatra ahy
Soa ihany enao tsy kopy fa simbanao ny foko, soa ihany aho tsy sahy
Soa ihany aho fa tsy nanandrana ny hamboraka fitia
Soa ihany ny nofinofiko ny ahy nataoko parsi
Soa ihany ianao nandà, soa ihany nisalasala ianao, soa ihany tsy te halala enao, soa ihany fa nody adala enao
Soa ihany tsika fa nijanona amzao
Soa ihany nahay nangina aho fa tsy be lazao
Zah mantsy mpandratra fo, tsy mahay mitia fa be mokondoha
Nenah ny RAP sy ny REVY no mandeh aloha fa tsy ny fo
Nenah ny akamako maro loatra, ny revinay tafahoatra, nenay tsa misy fetra ny moly sy ny toaka
Zah mantsy mandeh mafy sao tsy arakao ny famindrako ndraindray
Ny fiainanay tolona, ny fiainanay ady mamay
De tsy olana raha ny tananao tantanako nefa ny fiainan'zao tontolo izao sy ny anao koa mety tsy ho arako
Zah manko tsy atakatra ireo kintana nofisinao isan'andro hoe takariko am tanana
Zah ory ka tsy havan'ny manana mantsy..mandry andriran'antsy
Tsy aiko aloha ny atsy ho atsy na hoe handroso na ho fiemorana
De aleo ty taratasy saika hosoratako hoe anao ity aloha ho dorana
Aleo ny foko fatorana
Aleo hiandry ny andro maraina indray hitazana ny endrikao toa tsisy diso, hiandry tolorana
Ny hiarahaba hanolotanana hifanojo lalana aminao tsy sahy
Kanefa na hijery hifanohatra am masonao mamitra tsy sahy
Zah mantsy tsy mendrika anao, zah manko tsy ahasambatra fa hahory anao, de aleo amzao
Aleo zah ho Mason'Aloka eny fotsiny, tsy ho be lazao
Ref : Soa ihany ianao tsy nahafantatra ahy
Soa ihany enao tsy kopy fa simbanao ny foko, soa ihany aho tsy sahy
Soa ihany aho fa tsy nanandrana ny hamboraka fitia
Soa ihany ny nofinofiko ny ahy nataoko parsi
Soa ihany ianao nandà, soa ihany nisalasala ianao, soa ihany tsy te halala enao, soa ihany fa nody adala enao
Soa ihany tsika fa nijanona amzao
Soa ihany nahay nangina aho fa tsy be lazao
Soa ihany...soa ihany tsika nijanona amzao
Anontanio, anontanio MSK
C.M, Dago
Soa ihany tsika nijanona amzao
Soa ihany nahay nagina fa tsy be lazao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mason'Aloka 301 Madagascariensis
Vangy : 859
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TOMPONANARANDRAY
Daty : 19/01/2023 00:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728