Kodiaran-tsarety (Mason'Aloka 301 Madagascariensis)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
KODIARAN-TSARETY🤟🏻🔥🖤

Ndraindray te hiala, ndraindray te hijanona
Ndray te hiritaka aho ry tsamy, ndraindray te hilamina
Ndraindray otrany tsy mahenika ahy intsony raha hoe bota anakiray
Ndraindray aho mandrevy, nefa mahakopy hoe tsy vitan'ny rediredin'lah
Ndraindray lasa tsy mino an'Jah, tsy matoky
Solafaka vao mahatsiaro hoe tsilovy ity lalako mitsilopilopy
Ndraindray te hamikitra mafy, ndraindray te hamototra ny tady
Mahatsiaro tampoka ilay kozy hoe tsy maintsy miady raha mbola mitady
Zama ah...!

   (Efa hainao tsara angamba hoe zany
   Mivadibadika ambony ambany
   Efa hainao tsara hoe miodina ny tany)2
   Eeeh,,aza mitomany/ aza manontany

Ndraindray te hipetraka, matetika tamana
Efa kozina impiry nefa hoe mpandalo tsisy tompon-tanana
Nahorina ka horavana, vovoka no hiafarana sy lavenona
Ndraindray aho mangina nefa otrany ndraindray mba te himenimenina
Ndraindray freestyle fa tsy mety kobo mitsy ilay penina
Ndraindray te ho faty aho, ndraindray te velona
Te hikozy ndraindray fa tsy kobo izay ambara na ny afenina
Tsy kobon'ny teo aloha tsy aiko ny ao afara, iny aloha tsisy nenina
Matetika tsy fantatra intsony izay rehetra mikafara
Ndraindray koa mba te hametraka kozy kely ho an'ireo dimby sy fara
Ndraindray.......te hijery nefa aty ivelan'ny fefy makarakara
Matetika malemy satria tsy mba nahitana ho mpikarakara
Zama ah...!

   Efa hainao tsara ngamba hoe zany..........

Ndraindray aho marina nefa ampangainao fona hoe diso
Za mantsy hatrizay am bandy kely reny vao mitsiky de piso
Ndraindray mivazizitra nefa otrany ndraindray tsy maintsy manaiky
Falemeny nefa tsy azonao hitsarana azy hoe ty koa bandy taraiky
Fa inona marina ary no ratsy, f'inona marina ary no tsara?
Zay rehetra atao mantsy otrany toa ahazoana kafara
De aleo ozy aho i Jah no hitsara, ho fambara
De aleo hamadika pejy, ampahanginana no mitohy ny tantara
Zama ah....

Efa hainao tsara angamba hoe zany.....
🔥✊🏻

partageo ho hitan'pankafy ry Zama isany ah💯peace hoan'mpankafy RAP gasy eh💯🔥🖤
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mason'Aloka 301 Madagascariensis
Visites : 295
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Toucki
Date : 03/09/2025 18:00
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0709