Iriko (Mason'Aloka 301 Madagascariensis)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha hoe nôfa mila point ny morning
Aza taitra ny masoandro is shining
Aza mihahaka fa mila mi-running
Ahirato ny masonao tsy mila variana.

Iriko tsy ho tazana
Lasa voatery nefa izy hihazona hatramin'ny farany teren'ny fiainana mazana
Mazana tsy te ho hita dia miafina
Sarria tian'ny Life ny tsy ho tahafinao
Iriny izany hoe handao
Satria tsy sitrany ny sitran'ny vahoaka sy ny fiainan'izao tontolo izao
Hoe lasa habitude
Nefa raha zohiana ny revy tsy tokony atao kilalao
Fa mika mi-etude
Iriny foana mba hoe any anaty didy
Iriny mafy ireo akama mba tsy ho azon-tsampona anaty fiainana mangidy
Hahay hisafidy ny lalana
Ny azy mantsy androany hisampana ny fika
Hanohy ny lalana efa kobonao hoe mélancolique
Hanary ireo fiainan'alika
Iriny mafy @ Jah izy mba hahazo hery
Izy mantsy malemy
Olombelon-kely fa tsy hoe anjely

Raha mba akanao kelikely iny jaly iny
Raha mba ampianao kelikely fifaliana
Raha nanota kelikely omaly iny
Mila famelana avy aminao fa aza ariana
Raha hoe nôfa mila point ny morning
Aza taitra ny masoandro is shining
Aza mihahaka fa mila mi-running
Ahirato ny masonao tsy mila variana.

Iriny mafy, nefa mba haniry fa tsy tafa
Ny fiainany mantsy hafa raha hoe @ lafiny tsy satry
Iriny izany hoe mba irina
Hatramin'izay ka hatramin'izao mantsy izy vakiana hoe @ ilay tsy tiana
Naniry hoe mba handry fahalemana ny tany
Farafaharatsiny ny tsirairay sy ny any anatiny any
Nefa zary nofy ratsy
Iriny ireo vahoaka mba tsy ho lany vatsim-panahy
Iriny mba ho sahy, hiantso ny anaranao Jah
Mba hitsahatra amin'izay ny ady anaty, hitsahatra ny ratra mianjady
Iriko mba ho tafa ny faniriany
Raha hoe niaina mantsy fantatrao hoe tsy niriny
Iriko mafy ireo fangatahany mba hovaliana
Topazy maso fa tsy anaovanao fijery fangarihana
Anaty ngidy mantsy ny azy no mba hamamiana
Dia aza be tsaratsara sy faly ny hanakiana

Raha mba akanao kelikely iny jaly iny
Raha mba ampianao kelikely fifaliana
Raha nanota kelikely omaly iny
Mila famelana avy aminao fa aza ariana
Raha hoe nôfa mila point ny morning
Aza taitra ny masoandro is shining
Aza mihahaka fa mila mi-running
Ahirato ny masonao tsy mila variana.

Raha mba akanao kelikely iny jaly iny
Raha mba ampianao kelikely fifaliana
Raha nanota kelikely omaly iny
Mila famelana avy aminao fa aza ariana
Raha hoe nôfa mila point ny morning
Aza taitra ny masoandro is shining
Aza mihahaka fa mila mi-running
Ahirato ny masonao tsy mila variana.

Yeah(tsy mila variana)
Artinah(mila point ny morning)
Coco Mainty be(ny masoandro is shining)
Jah aza ariana, raha nanota omaly iny
Asio fifaliana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mason'Aloka 301 Madagascariensis
Vangy : 131
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kikou007
Daty : 26/06/2024 16:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.175