JESOA FIFALIAKO (Mamy Robinson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
JESOA FIFALIAKO

Tsy mba nanana fiadanam-po nanjeny irery aho hatrizay
Dia nandramako avokoa izay rehetra noheveriko hahasoa

Dia nanamarin-tena dia nitombo ny hambom-po nizahozaho ary koa nirehareha
Nefa tsapako ihany avy eo izay fiainako fa tena nankaleo

REF : Fa raha nandray an’i Jesoa ilay fiainako nahantra teo aloha
Nanjary hiram-pifaliana no nisandratra mangina avy ao am-po

Mbola kely aho dia efa notaizana tamin’ny fivavahana
Dia nihevitra aho taty aoriana fa hoe tsy zaza intsony ara-panahy

Dia nanamarin-tena dia nitombo ny hambom-po nizahozaho ary koa nirehareha
Nefa tsapako ihany avy eo izay fiainako fa tena nankaleo

REF : Fa raha nandray an’i Jesoa ilay fiainako nahantra teo aloha
Nanjary hiram-pifaliana no nisandratra mangina avy ao am-po

_ VONJY_
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Robinson
Vangy : 691
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mattox
Daty : 31/10/2019 18:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7477