You are here: home > Tononkira > Mamy Robinson

IANAO TOMPO NO TSY MANDAO (Mamy Robinson)

  
    
IANAO TOMPO NO TSY MANDAO (Feo : james Chambers)

Tompo Ianao tsy mba mandao
Efa  saika very aho : soa fa teo ianao
Teo ny sandrinao mahery
Nihazona ahy tsy ho very,  tsy namela ahy ho irery

Ianao Tompo tsy mba mandao
Tsy mba sitrakao akory ny hahavery ity zanakao
Na mpanompo tsy mahasoa aza aho
Be ny famindramponao, ô ! be ny fitiavanao

Fa ny tsorankazonao mahery
No nitantana ahy tsy ho very
Fa na handao ahy aza izao rehetra izao Tsiky dia ampy
Ianao tompo ô ! ianao no tsy mandao

Tompo ianao tsy mba mandao
Efa  saika very aho soa fa teo ianao
Teo ny sandrinao mahery
Nihazona ahy tsy ho very  tsy namela ahy ho irery

. . . Fa ny tsorankazonao  . . .

Ianao Tompo tsy mba mandao
Tsy mba sitrakao akory ny hahavery ity zanakao
Na mpanompo tsy mahasoa aza aho
Be ny famindramponao, be ny fitiavanao

Ianao tompo no tsy mandao
Ianao tompo no tsy mandao
Ianao tompo no tsy mandao

_ Mamy ROBINSON_
(25 août 2009)

Mpihira : Mamy Robinson
Mpamaky : 481
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mattox
Tamin'ny : 31/10/2019 17:31:32
ID : 12170

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo