You are here: home > Tononkira > Mamy Robinson

AMPITOMBOY (Mamy Robinson)

AMPITOMBOY

Ampitomboy (3)
Ny fahalalako anao ry Tompo
Hiorim-paka ny finoako tsy hivadika aminao

Dia koloy (3)
Izay kely ato am-poko
Ianao ihany no antsoiko : aoka ianao hanjaka ao

He ! ty izaho mbola malemy tsy ampy fahalalana anao
(Mba) omeo ahy ny tena hery ho tia sy hahay ny teninao

Ampitomboy (3)
Ny finoako anao ry Tompo
Hahazoako manompo sy manao ny stononkira.serasera.orgitrakao

Dia fenoy (3)
Ny fanahinao ny foko
Mbola maro ireo misoko sy mitady hanjaka ao

Hazoto hianatra baiboly isan’andro vaky izao
Ny asanao no fialamboly ifaliako anilanao

Ampitomboy (3)
Ny finoako anao ry Tompo
Hahazoako manompo sy manao ny sitrakao
Dia koloy (3)
Izay kely ato am-poko
Ianao ihany no antsoiko : aoka ianao hanjaka ao !
Manjakà ianao !


       _ Mamy ROBINSON _

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mamy Robinson
Mpamaky : 61
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mattox
Tamin'ny : 31/10/2019 18:31:37
ID : 12164

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo