JESOA FIFALIAKO (Mamy Robinson)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
JESOA FIFALIAKOTsy mba nanana fiadanam-po nanjeny irery aho hatrizay
Dia nandramako avokoa izay rehetra noheveriko hahasoa
Dia nanamarin-tena dia nitombo ny hambom-po nizahozaho ary koa nirehareha
Nefa tsapako ihany avy eo izay fiainako fa tena nankaleo
REF : Fa raha nandray an’i Jesoa ilay fiainako nahantra teo aloha
Nanjary hiram-pifaliana no nisandratra mangina avy ao am-po
Mbola kely aho dia efa notaizana tamin’ny fivavahana
Dia nihevitra aho taty aoriana fa hoe tsy zaza intsony ara-panahy
Dia nanamarin-tena dia nitombo ny hambom-po nizahozaho ary koa nirehareha
Nefa tsapako ihany avy eo izay fiainako fa tena nankaleo
REF : Fa raha nandray an’i Jesoa ilay fiainako nahantra teo aloha
Nanjary hiram-pifaliana no nisandratra mangina avy ao am-po
_ VONJY_
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Mamy RobinsonHits : 786
Likes : 0 Like
Created by : Mattox
Date : 31/10/2019 18:31