EO AN-TSANDRINAO (Mamy Robinson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
EO AN-TSANDRINAO
(Lean on me - Bill Withers)
Eo an-tsandrinao
Tompo ô no mba iriko itoerako
Fa raha saraka anao aho tsy misy manjary
Tsy mandeha ny fiainako
Ampianaro aho, hahay hiantoraka hiatsampy an-tsandrinao Jesô !
Fa eo aminao ihany no hitako ho tena mahatsara ahy.

Rantsano izay rehetra misakana ahy tsy ho eo an-tsandrinao Jesô
Fa eo aminao ihany no hitako ho tena mahatsara ahy.

Sokafy ho ahy ny sandrinao Tompo ô
Eo ihany no hitako ho mahatsara ahy
TSy hiankina afa tsy eo an-tratranao
Eo ihany no ho hitako ho mahatsara ahy

Ampianaro aho, hahay hiantoraka hiatsampy an-tsandrinao Jesô !
Fa eo aminao ihany no hitako ho tena mahatsara ahy.

Sokafy ho ahy . . . Sokafy ho ahy ny sandrinao . . . . . .
Rantsano izay rehetra misakana ahy tsy ho eo an-tsandrinao Jesô
Fa eo aminao ihany no hitako ho tena mahatsara ahy.

Eo ihany . . . Eo ihany ! (4)
Ampianaro aho, hahay hiantoraka hiatsampy an-sandrinao Jesô !
Fa eo aminao ihany no hitako ho tena mahatsara ahy.
Eo ihany no mahatsara ahy !(24)
Eo an-tsandrinao
Tompo ô no mba iriko itoerako
Fa raha saraka anao aho tsy misy manjary
Tsy mandeha ny fiainako

_ Mamy ROBINSON_
(03 sept 2009)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Robinson
Vangy : 581
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mattox
Daty : 31/10/2019 18:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723