HIVERINA AHO (Mamy Robinson)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HIVERINA AHOEfa taona maromaro, tsy niarahantsika teto
Tsy nahafaha-nifangaro, tsy niarahana nisento
Izaho akory tsy nankaiza, sanatria tsy nirenireny
Fa mbola nihary sy nitaiza ny foko taminao teny
Anio indray aho hiverina aminao
Hivimbina mozika vaovao
Mozika mampitambatra ny fo
Andao isika hiara-droa :
Hiaraka hiventso ! Houh ! Hiaraka hisento
Tena mafy ilay tsy nihaona, asa efa firy taona
Izaho na dia tsy hitahita : mbola tanatin’ny mozika
Izaho akory … … …
Ndao isika hihirahira, ataontsika hanakoako
Hiara-hitsinjaka handihy, hitehatehaka sady hiara hilamako
Izaho akory … … …
_ Mamy ROBINSON _ (31/01/2019)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Mamy RobinsonVangy : 673
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mattox
Daty : 06/12/2019 13:12