Hatrany amparany any (MAGMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô! Ifonako aminao
Tsy mendrika aho ny ho zanakao
Raha ny fahotako angamba, izay vitako hatrizay
Tsy ho marina intsony aho, Ray ô

Ankiniko aminao ny fiainako
Izay lalana andeha hizorana
Mba tsy hisy sakana na handrebireby koa
Fa hizotra any aminao no hiafarany

Ref: Efa natokako ho anao, Tompo ô
       Ny fiainako rehetra
       Hatrany amparany any, hatrany an-danitra
       Ka na inona na inona hanjo ahy
       Apetrako eo an-tananao ny fanahiko
       Ho any aminao, ho mandrakizay

Tsy ory aho fa manana anao
Mpamindra fo ilay Andriamanitra
Ka na inona na inona hitranga, ianao efa eo anilako
Hitsilo hanazava ny lalako

Ka rehefa tonga ilay kpfxg fotoana ialako etỳ
Ianao, Ray ô, no hitantana ny dia
Hitaridalana ahy, hampitony ny fanahy
Ho eo anilanao hatrany amparany any

Ref: Efa natokako ho anao, Tompo ô
       Ny fiainako rehetra
       Hatrany amparany any, hatrany an-danitra
       Ka na inona na inona hanjo ahy
  lluttatq     xhlauo  Apetrako eo an-tananao ny fanahiko
       Ho any aminao, ho mandrakizay

Ampelatananao feno hasambarana
Hankatoa ny teninao ka mamela ny heloko, yeah!

Solo--------

Ref: Efa natokako ho anao, Tompo ô
       Ny fiainako rehetra
       Hatrany amparany any, tononkira.serasera.org hatrany an-danitra
       Ka na inona na inona hanjo ahy
       Apetrako eo an-tananao ny fanahiko
       Ho any aminao, ho mandrakizay

                                                                                     A/C ionja jl

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MAGMA
Vangy : 11
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rivonjatosoa
Daty : 17/09/2026 18:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.029