Ilay vohitra manga (Ludger Andrianjaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fahitako anareo
Manjary ahatsiarovako ny any
Ny any aminay miverina ao an-tsaina avy hatrany
Ilay vohitra manga
Raha vao tazana manangasanga
Avy any ambadika lavitra
Manaitra sy mahafinaritra

Mba vangivangio matetitetika raha azo atao
Ny andro hiaonana saro-bidy ambarako anao
Tsy tsaroana avy hatrany fa hay tsy dia very tsy akory
Ny hifankahitana manala ny sorisory

Ny fahitako anareo
Manjary ahatsiarovako ny any
Ny any aminay miverina ao an-tsaina avy hatrany
Ilay vohitra manga
Raha vao tazana manangasanga
Avy any ambadika lavitra
Manaitra sy mahafinaritra

Ny fahitako anareo
Tsy hitoetra fa tena mandalo
Mampatsiahy ny fahiny
Nikoràna sy niara-nikalo
Tamin'ireo sakaiza
Sy ny Ray aman-dreny nitaiza
Niandry ny ampitso hatrany
Mandra-podiko hiverina ho any

Fidiny ve hoy ianao ka lasa nivarina an-tsiraka
Ny fitadiavana mahazaka maniraka
Ny tsy andehanana mody mafy loatra ka aza manody
Ny hany fanantenana
Dia mbola hiverina ho any an-tanàna.

Auteur : Bernard Razafindrakoto
Compositeur : Naly Rakotofiringa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ludger Andrianjaka
Vangy : 45
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 02/06/2026 15:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 6.9863